PlaneteAfrique
Déconnexion
WS-Apps, le système de gestion de contenus adaptatif développé depuis 15 ans, conçu pour sa puissance, son efficacité et sa simplicité. Trois applications, une présence web maîtrisée :
WS-MySite! Votre présence web immédiate et professionnelle. Découvrir ce pack
WS-Webzine Pour agences de presse et éditeurs. Découvrir ce pack
WS-Ecommerce Vendez en ligne et encaissez par Mobile Money et carte bancaire. Découvrir ce pack

Hain-trano tao Besarety : trano 100 sy entana an-taoniny no kila

Hain-trano tao Besarety : trano 100 sy entana an-taoniny no kila
Mercredi, 22 Octobre 2014 09:29 Tsy roa aman-tany ny fahavoazan’ny mponina tao amin’ny faritra Antsahakely,

fokontany Besarety, omaly tolakandro, vokatry ny hain-trano namely io tanàna io.Trano 100 teo ho eo no indray levon’ny afo niaraka tamina entam-barotra aman-taoniny maro noho ny fahamaizan’ny toeram-pitehirizana entana maromaro tao amin’ireo faritra nolalovan’ny afo. Tsy nisy aina nafoy na olona naratra kosa na betsaka aza ny fahasimban-javatra, araka ny fanazavan’ny manodidina. Tsy fantatra mazava hatreto ny fototra nihavian’ny loza fa samy nanana ny fitantarany ireo nitonona ho vavolombelona. Nolazain’ny sasany fa ny firehetan’ny moto novelomina tanatin’ny trano iray no nahatonga ny hain-trano. Fipoahan’ny herinaratra na court-circuit kosa, hoy ny hafa.Nampiitatra ny fahamaizan’ny tanànan’Antsahakely-Besarety kosa ny fipoahan’ny entona fanaovana “soudure” noho ny firehetan’ny trano fiasana iray tao anivon’ireo trano ireo, hoy hatrany ny mponina teny an-toerana, omaly.Naharitra ora maro vao maty ny afo nandevona trano hazo sy trano biriky maro, nifangaroan’ny toeram-ponenana sy trano fiasana mbamina fitehirizana entana tao Besarety, omaly hariva.


Manou

Actualités par pays

Newsletter


 
 
 
 
 
Madagascar - Actualités