Actualités : Madagascar

Hain-trano tao Besarety : trano 100 sy entana an-taoniny no kila
Mercredi, 22 Octobre 2014 09:29 Tsy roa aman-tany ny fahavoazan’ny mponina tao amin’ny faritra Antsahakely,

fokontany Besarety, omaly tolakandro, vokatry ny hain-trano namely io tanàna io.Trano 100 teo ho eo no indray levon’ny afo niaraka tamina entam-barotra aman-taoniny maro noho ny fahamaizan’ny toeram-pitehirizana entana maromaro tao amin’ireo faritra nolalovan’ny afo. Tsy nisy aina nafoy na olona naratra kosa na betsaka aza ny fahasimban-javatra, araka ny fanazavan’ny manodidina. Tsy fantatra mazava hatreto ny fototra nihavian’ny loza fa samy nanana ny fitantarany ireo nitonona ho vavolombelona. Nolazain’ny sasany fa ny firehetan’ny moto novelomina tanatin’ny trano iray no nahatonga ny hain-trano. Fipoahan’ny herinaratra na court-circuit kosa, hoy ny hafa.Nampiitatra ny fahamaizan’ny tanànan’Antsahakely-Besarety kosa ny fipoahan’ny entona fanaovana “soudure” noho ny firehetan’ny trano fiasana iray tao anivon’ireo trano ireo, hoy hatrany ny mponina teny an-toerana, omaly.Naharitra ora maro vao maty ny afo nandevona trano hazo sy trano biriky maro, nifangaroan’ny toeram-ponenana sy trano fiasana mbamina fitehirizana entana tao Besarety, omaly hariva.


Manou


Article publié le mercredi 22 octobre 2014
841 lectures
Augmenter la taille de la police Diminuer la taille de la police print send to
Lectures : 841
Chargement...